– VALAN’ARETINA : Mitombo ny tranga vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus izay mitotaly 43 tamin’ny herinandron’ny 22 ka hatramin’ny 28 Oktobra.
– LALAON’NY FRANKOFONIA : Vondrona A no misy ny ekipa malagasy lehilahy eo amin’ny taranja baolina kitra, ary vondrona B kosa ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy eo amin’ny taranja basketball.
– FOTO-DRAFITRASA : Nampanantena ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-2, faha-4, ary faha-7 ny filoha Andry Rajoelina.
