Rahoviana no isaorana ny vady ? Rehefa nahavita be teo amin’ny tokantrano. Indraindray izy ankasitrahana, fa misy fotoana ihany koa izy aterina any amin’ny havany. Mifono hevitra maro ny teny hoe « saotra ». Fanazavana entin’ny Profesora Jeannot Fils Ranaivoson, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Sampana Malagasy an’ny Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra sy ny siansa maha-olona eto Antananarivo.














