Volavolan dalàna mifehy ny teti-bola nasim-panitsiana

Volavolan-dalàna mifehy ny teti-bola nasim-panitsiana, miandry fatratra ny fahatongavany ny solombavambahoaka
Tsy mbola tonga eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna nasiam-panitsiana raha ny androany 28 may, raha araka ny fanambaran’i Norbert Mamangy, solombavambahoaka voafidy tany Sambava. Raha ny tetiandro ao anaty lahadinika anefa dia efa tokony niditra asam-baomiera io volavolan-dalàna io. Nilaza ny Praiminisitra Christian Ntsay fa mbola misy pitsopitsony tsy maintsy dinihina momba azy io satria tsy maintsy ampanarahana ny zava-misy aterak’izao valan’aretina coronavirus izao.