ZON’NY MPANJIFA : MBOLA TSY MIHATRA NY LALÀNA MIARO IZANY

Ady amin’ireo entana efa lany daty, ny mizana tsy marina, ny vidin’entana tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy, ny haratsy ny tolotra vokarin’ireo orinasa. Isan’ny asa ataon’ireo fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa izany. Na dia izany aza anefa mbola sahirana ireto farany satria mbola tsy ampiharana ireo lalàna miaro ny zon’ny mpanjfa eto madagasikara. Mitaky ny ampiharana izany izy ireo mba ahafahana miady amin’ny fiakaran’ny vidin’entana miompampana.