AKORANAFO – Mbola tsy hiakatra rahampitso 01 Jolay ny vidin’ny solika eto Madagagasikara.

Mbola mitohy hatrany ny fifampiresahana eo amin’ny fanjakana sy ireo mpaninjara solika hoy ny talen’ny Ofisy Malagasy misahana ny akoranafo amin’izao fotoana izao ka noho izany dia tsy mbola fantatra ny fotoana izay hiakaran’ny vidin-tsolika. Mbola ampy hatrany aloha hatreto ny tahirin-tsolika ary tsy misy atahorana ny famatsiana izany. Nanapa-kevitra ny hametra ny fividianana solika amin’ny daba plastika kosa ny fanjakana mba hisorohana ny loza mety hitranga amin’ny fitahirizana azy ireny any an-trano.