“Tsy azo hihodivirana ny fampiharana fahatapahan-jiro mifandimby amin’izao ora maha be ny filàna herinaratra ny hariva izao”. Hifandimby tsy hahazo jiro indray ny tanàna maromaro eto Antananarivo sy ny manodidina anio hariva raha ny fampahafantarana avy amin’ny orinasa Jirama. Tombanana haharitra ora roa isaky ny toerana ny fahatapahana raha ny fanambaran’ity orinasam-panjakana ity.
Misedra olana ara-teknika indray mantsy ny toby famokarana angovo “terminal à combustible” TAC 1 ao Ambohimanambola ka miteraka fahabangana amin’ny famokarana angovo izany eo amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo. Ankoatra izay dia mbola manampy trotraka ny fidinan’ny rano ao Andekaleka ka mampiehana ny vokatra ihany koa.
Tombanana ho 20 megawatts ny vokatra banga izany raha ny voalazan’ny orinasa Jirama ka mahatonga azy tsy maintsy mampihatra fanapahan-jiro mifandimby, noho izany, ny Jirama. Nanome toky anefa ny eo anivon’ity orinasam-panjakana ity fa hanao ny ezaka rehetra hamerenana amin’ny laoniny ny famokarana sy ny fitsinjarana herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina.
Tsy latsaka ny in’efatra izao, nandritra ity volana aogositra ity, no efa nisedra olana io TAC 1 ao Ambohimanambola io
