ANGOVO – Horaisin’ny Jirama an-tanana tanteraka ny fikojana ireo milina mpamokatra herinaratra mamatsy eny anivon’ireo CTC mandray mararin’ny Covid-19 hisorohana ireo loza mety hiseho

Affiche YouTube

Manoloana ireo fahatapahan-jiro misy amin’ny tambajotran’ny Jirama dia efa nametrahana milina mpamokatra herinaratra vaovao avokoa ireo toerana fandraisana mararin’ny Covid -19 indrindra ireo ivon-toeram-pitsaboana rehetra efa mijoro sy ireo vao hosokafana. Horaisin’ny Jirama an-tanana ihany koa ny fikojana sy ny famatsiana solika ireo milina ireo taorian’ny nahitana tranga tsy fandehanan’izy ireny rehefa nisy ny fahatapahan’ny herinaratra avy amin’ny tambajotra mahazatra. Fanazavana ataon’i Vonjy Andriamanga, tale jeneralin’ny orinasa Jirama.