ASA ANY IVELANY Niharan’ny herisetra ny ankamaroan’ireo vehivavy nody avy any Koweit

Rehefa niala tamin’ny toerana tokony hiasany ny ankamaroan’ireo mpiasa Malagasy nila ravinahitra tany Koweit dia tsy nanana antony nahafahana nanavao intsony ny taratasy fahazoan-dalana hijanona any amin’ny firenena koweitianina. Voasokajy ho olona marefo araka izany izy ireo ka tsy maintsy nampidirana hoy ny avy ao amin’ny governemanta.