BAOLINA KITRA – Famakafakana alohan’ny lalao hihaonan’i Madagasikara sy i Bénin

Ny ho endrikin’ny ekipam-pirenena, ireo mpilalao mety hajoron’ny mpanazatra, ny erijikan’i Madagasikara ao anatin’ny vondrona J amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany 2022. Iarahana amin’i Andriamanambe Raoto, mpanao gazety, sy i Mirado Rakotoharimalala, mpisehatra eo amin’ny baolina kitra. Mpanentana : Iloniaina Alain, mpanao gazetin’ny 2424.mg.