Antananarivo, 21 Febroary, 2ora07 – Niova ny ekipa mitarika ao amin’ny Vondron-tarika Atsimo amin’ny fifaninanam-pirenena Pro League amin’ny baolina kitra. Mitarika vonjimaika indray ny CFFA izay manana isa 17 taorian’ny nandreseny ny Zanakala FC (1-0) ny sabotsy teo. Manatombo isa roa amin’ny Disciples FC ity ekipan’ny kaominina Andoharanofotsy ity. Ny Disciples FC izay tsy nahavita afa-tsy ady sahala manoloana ny Dato FC.
BAOLINA KITRA – Mitarika vonjimaika ny Vondron-tarika Atsimo ny CFFA
