CENI – VOKATRA VONJIMAIKA AMIN’NY SABOTSY 15 JONA

Araka ny efa voalaza dia hivoaka ny sabotsy 15 jona ny vokatra vonjimaika tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey lasa teo. Nilaza ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo, io maraina io (13 jona), 71 ny isan’ny fitarainana tonga teo anivon’ny Vaomiera Mahaleotena Mikarakara ny Fifidianana. Fangatahana fampitahana fitanana an-tsoratra (PV) miisa 837 no azo nekena tamin’ireo an’arivony voaray. Efatra ny fitanana an-tsoratra nahitana tsy fitoviana.