CORONAVIRUS : Hery Rakotoarisoa : « Ao anaty fitazoman’aina ny orinasa afak’haba »

Nilaza ny filohan’ny Vondron’ireo orinasa afa-kaba sy ny mpiray ombon’antoka aminy na Groupement des entreprises franches et partenaires, mampiasa olona eo amin’ny 134 000, fa mandalo fotoan-tsarotra ireo mpikambana ao aminy amin’izao fisian’ny valan’aretina eto Madagasikara. Miantso tan-tsoroka amin’ny fanjakana i Hery Rakotoarisoa hitazomana ny ain’ireo orinasa mpikambana.