Nampiaka-peo tamin’ny tsy namoahana ny fandaharana nanehoany hevitra tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny solombavambahoaka Brunelle Razafitsiandraofa. Nohararaotin’ny solombavambahoakan’ny mpanohitra nanapotsirana ny tsy fahafahan’izy ireo maneho hevitra amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny fanamarihana nataon’ity solombavambahoaka ity. Namaly anefa ny minisitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina fa tsy misy ny sivana eto Madagasikara, ary ny tompon’andraikitra ao amin’ny télévision malagasy no hany afaka mana-pakevitra amin’ny famoahana na tsia ny vaovao.