FAHASALAMANA : Ireo karazan-tsakafo mampitombo ny hery fiarovana

Ilaina, indrindra amin’izao fotoana fisian’ny otrik’aretina coronavirus izao, ny fampitomboana ny hery fiarovana ao amin’ny vatana. Io no fomba tsotra indrindra entina manohitra ny aretina. Nanatona manam-pahaizana izahay, hanazava sy hiresadresaka momba ireo sakafo ara-pahasalamana.