FAMPIVONDRONANA NY BAREA – Voapetraka ny rafitra hiatrehana an’i Bénin sy Tanzania

Affiche YouTube

Mamadika pejy miaraka amin’i Eric Rabesandratana ny Barean’i Madagasikara. Taorian’ny folo andro nivondronan’izy ireo teto an-tanindrazana niaraka tamin’ny mpanazatra vonjimaika dia azo lazaina fa voapetraka ny rafitra hiatrehana ny lalao roa voalohany amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany any Qatar amin’ny taona 2022. Fohy ny fotoana saingy afa-po ny mpanazatra vaovao ary nilaza fa afaka nanomana sahady ny lalao hihaonana amin’i Bénin sy Tanzania.