Tsy tokony hitsahatra ny fampianarana, hoy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Na mitohy 15 andro aza ny fotoana hijanonan’ny mpianatra any an-trano mandritra ny « fialan-tsasatry ny Paka » noho ny toe-java-misy amin’ny lafiny fahasalamana eto amin’ny firenena, dia tokony hitohy any an-trano ny fampianarana. Miantso fandraisana andraikitra araka izany ny ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ka manentana ny sekoly hanohy ny fanomanana ny fampianarana ka handefa ny lesona sy ny fampiharana ho an’ny mpianatra. Anjaran’ny ray aman-dreny, hoy Andriamiakatsilavo Raoniherijaona, tale jeneraly misahana ny lafiny pedagojia eo amin’ny minisitera, ny maka izany lesona sy fampiharana izany any an-tsekoly. Ny tanjona dia ny hiarovana ny mpianatra, ny fianakaviana ary ny mpampianatra sy ny mpandraharaha nefa ihany koa mba tsy hanadino ny fianarana azony ny mpianatra.

