FANADINANA ANDRANA CEPE: Vonona hiatrika ny fanadinana famaranana ny fanabeazana fototra (CEPE) ny mpiadina, hoy ireo mpanabe

Fomba hamantarana ny fahavononan’ireo mpianatra hiatrika fanadinana ofisialy ny fanaovana fanadinana andrana. Fomba ihany koa ahafahana mahita raha vonona na tsia hampanao izany fanadinana izany ny rafitra isan-tsokajiny. Milaza ireo mpanabe fa amin’ny ankapobeny, na teo aza ny fisian’ny fihibohana sy ny fahamehana ara-pahasalamana dia vonona na ny mpianatra na ny rafitra hiatrika ny fanadinana ofisialy mamarana ny fanabeazana fototra.