FANADINANA BACCALAUREAT : Mitohy ny fametrahana antontan-taratasy fisoratana anarana

Nahemotra ny daty fametrahana atontan-taratasy hoan’ireo izay hanala fanadinana bakalorea, hoy ny nambaran’ny profesora Jean François Rajaonarison, Talen’ny Fampianarana ambony eo anivon’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Tsy mbola fantatra kosa anefa hoe hatramin’ny rahoviana no hotohizana izany fisoratana anarana izany.