FIAKARAN’NY VIDIN-TSOLIKA – Entanina hitandro ny filaminana ireo solotenam-panjakana

Manoloana ny fiakaran’ny vidin-tsolika dia nanao fanambarana ny ministry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Justin Tokely. Entaniny amin’izany ireo solotenam-panjakana hitandro hatrany ny filaminana ary mampitandrina ihany koa ireo mpivarotra sy mpanjinjara solika tsy hanararaotra eo amin’ny fametrahana ny vidin’entana.