FIATREHANA NY VOKATRY NY KRIZY ARA-PAHASALAMANA : Hivoaka tsy ho ela ireo drafitra marolafy

Hitodika any amin’ireo tena voadona mafy tamin’ity krizy ity ireo drafi-panarena izay ho avoaka tsy ho ela hoy ny Praiministra Christian Ntsay teo anoloan’ireo solombavambahoaka. Miandry ny fankatoavan’ny filankevitry ny ministra sisa dia ho ampiharina izany.