FISORATAM-PANAMBADIANA : MALALAKA NY SAFIDY HO AN’IREO MPIVADY VAO

Antananarivo, 26 martsa 2020

Na dia eo aza ny fihaniky ny aretina “coronavirus”, dia manana safidy malalaka ireo mikasa hanorina tokantrano, ny amin’ny hanatanterahana na ny hanemorana ny raharaha. Ho an’ireo nisafidy ny hiroso amin’ny fisoratam-panambadiana dia misy ireo lamina tsy maintsy arahana.