FITATERANA AN-TANETY – Tsy hiakatra ny saran-dalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, tazomina ho toy ny mahazatra ny isan’ny mpandeha

Tsy hihena ny isan’ny seza azo ipetrahana eny ambonin’ireo fiara mpitatitra mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Tsy hitombo araka izany ny saran-dalana fa hotazonina ho 20 000 ariary toy ny mahazatra rehefa hiverina ny fitaterana mampitohy ireo faritra roa ireo amin’ny sabotsy ho avy izao. Any amin’ny fandaminana ny fivezivezena eny amin’ny tobim-piantsonan’ny fiara mpitatitra sy any amin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana isan-tsokajiny no tena hanompanana ny fiarovana amin’izay mety ho fihanahan’ny tsimokaretina coronavirus, araka ny fanazavan’i Fidy Ranaivoson, tale jeneraly lefitry ny Mac Auto, mpitantana ny Toby fiantsonana Maki eny Andohatapenaka
Les frais de transport en taxi-brousse sur la ligne Antananarivo – Toamasina n’augmenteront pas. Le nombre de places restera aussi inchangé. Pour sécuriser la reprise de la liaison Antananarivo – Toamasina, les acteurs misent plutôt sur le respect des mesures d’hygiène et des gestes barrière, ainsi que le confie Fidy Ranaivoson, Directeur général adjoint de Mac Auto, gérant de la Gare routière Maki d’Andohatapenaka.