FOTODRAFITRASA – Nanamafy ny veliranony amin’ny Faritra Atsimo ny Filohan’ny Repoblika

Namerina ny velirano tamin’ny vahoakan’ny Faritra Atsimo ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina taorian’ny diany tany Washington. Nanome toky izy fa tsy hivadi-belirano mihitsy amin’ny mponina any Atsimo. Hanomboka tsy ho ela, alohan’ny faran’ny taona, hoy izy, ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-10 mampitohy an’Ambovombe sy Andranovory. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena vao nosoniavina tany Washington no hanaovana azy io. Notsindriany ihany koa fa hanome valin-teny amin’ny fangatahan-kevitra nataon’ny governementa taminy ny Vondrona eoropeanina, hahafahana manomboka tsy ho ela ihany koa ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 izay efa nandrasana ela ny fanombohana azy.