HO HAVOAZINA NY LALÀNA MIFEHY NY MPIASA AN-TRANO SY NY MPIASA MILA RAVINAHITRA

HO HAVOAZINA NY LALÀNA MIFEHY NY MPIASA AN-TRANO SY NY MPIASA MILA RAVINAHITRA – Notontosaina omaly, 04 febroary, teny Antaninarenina, ny atrik’asa hoentina hanatsarana ny lalàna mifehy ny asa eto Madagasikara, indrindra ireo lafiny mahakasika ny mpiasa an-trano sy ny mpiasa mila ravinahatra. Ny fiarovana ireo mpiasa sy ny fanatsarana ny tontolon’ny asan’izy ireo no tanjona amin’izany, ary koa mba hahafahan’izy ireo misitraka asa mendrika sy mahavelona.

Ny fanjakana malagasy, ny OIT na « Organisation Internationale du Travail » ary ireo mpiara-miombon’antoka avy ao amin’ny fiarahamonim-pirenena no miara-misalahy amin’ity atrik’asa ity. Mitondra fanazavana mahakasika izany i Botodia Rémi Henri, Sekretera Jeneralin’ny SEKRIMA (Sendika Kristianina Malagasy) sady Mpandrindra nasionalin’ny CTM (Conférence des travailleurs Malagasy).

Marihana fa i Madagasikara dia nanasonia ny Fifanarahana iraisam-pirenena momban’ny asa an-trano sy ny asa any ampitan-dranomasina, izay navoakan’ny OIT.