https://youtu.be/yT3v5UKRB_0
Berthine Razafiarivony, procureure générale de la Cour d’Appel d’Antananarivo, annonce l’arrestation mardi soir d’individus, malgaches et étrangers, soupçonnés d’avoir échafaudé des plans pour éliminer de hautes personnalités, dont le président de la République. L’intégralité de la déclaration dans la vidéo.
Nisy olona maromaro, teratany malagasy sy vahiny, ahiahiana ho nanomana tetika hamonoana tompona andraikitra ambony eto amin’ny firenena, anisan’izany ny Filoham-pirenena, nosamborina tamin’ny talata hariva, hoy i Berthine Razafiarivony, lehiben’ny fampanoavana ambony ao amin’ny Fitsarana Ambony eto Antananarivo. Azonao arahina ato anatin’ny horonan-tsary ny fanambarana manontolo.
