L’INTERVIEW – Eric Naivolala Andrianasolo, Filohan’ny Holafitry ny Dokotera

Sombiny : « Efa maro ireo orinasa madinika manamboatra ireo fitaovana fiarovana izay azo jifaina ary tsy dia lafo loatra. Mitovy ihany ny lamba ampiasaina na ny vita any ivelany na ny eto an-toerana saingy samy hafa ny vidiny. Ny fiarovana ilaina fa ny fitandremana no zava-dehibe. Ny tanana mitondra tsimokaretina any amin’ny vava, ny maso sy ny orona no tena tandremana, sy ny fifamindrana avy amin’ny fofon’aina.
Raha resaka isana dokotera, na Covid na tsy Covid, resaka fitsinjarana foana no olana. Aty amin’ny tanàn-dehibe daholo no misy ny dokotera noho ny antony maro : fianaran’ny ankizy, fandriam-pahalemana, sns. Any ambanivohitra rehetra any tsy ampy. Fa raha ny eto Antananarivo sy ny manodidina ampy ny dokotera. Ny any amin’ny hopitaly no efa manomboka misy fahasarotana dia voatery maka dokotera hafa manampy.
Rehefa misy catastrophes, misy zavatra maro tafiditra. Tsy resaka fitsaboana fotsiny, fa eo ny sosialy, fampitaovana sécurité, tsy voatery ho dokotera daholo na anaty hamehana ara-pahasalamana aza fa samy manana ny andraikiny (…) Raha resaka fitsaboana, efa samy miezaka manao izay vitany. Tany an-dalam-pandrosoana isika tsy ary ho tonga lafatra. Misy zavatra tsy ho vitantsika. Tsy midika izany fa tsy nanao isika. Nanao isika araka izay fahafahana. Fiaraha-miasa no tadiavina fa tsy fifanomezan-tsiny. Manahirana, mampihena ny fahavitrihan’ny mpitsabo ny fanenjehana azy ireo.