Antananarivo, Febroary, 7ora07 – Manodidina ny 24 ora eo ho eo sisa dia hikasika an’i Madagasikara i Emnati. Eo anelanelan’i Mahanoro sy Farafangana no heverina fa hikasihany ny tany rahampitso talata tolakandro na hariva. Any amin’ny 378 km any atsinanan’i Toamasina no nisy azy tamin’ny 3ora hariva teo saingy efa manomboka misy fiantraikany amin’ny toetry ny andro any amin’ny faritra Afovoany Atsinanana sy Atsimo Atsinanan’i Nosy izy. Tafiditra anaty filazana loza fanairana mena araka izany ny Faritra Atsinanana, Vatovavy sy Fitovinany manomboka androany alatsinainy amin’ny 8 alina. Efa filazana loza manambana ny saina mena ka tsy tokony hivoaka ny trano intsony ny mponina manomboka amin’io ora voafaritra io.
Mihatra amin’ireo faritra mifanila amin’ny faritra mety handalovan’ny rivodoza sy any amin’ireo faritra hafa heverina fa mbola handalovan’ny rivodoza kosa ny filazana fanairana mavo. Voalaza araka izany fa misy ny loza mitatao ho an’ny Faritra Analanjirofo, Atsimo Atsinanana, Anosy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Atsimo Andrefana, Androy, Mangoro. Toraka izany koa ho an’ny distrikan’i Manjakandriana, Andramasina, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Renivohitra, Ambohidratrimo sy Arivonimamo.
Mihatra ho an’ny Faritra Alaotra, Bongolava, Menabe, sy ny distrikan’Anjozorobe, Ankazobe, Soavinandriana ary Miarinarivo ny filazana fampitandremana maitso.
Hatreto aloha dia mbola rivodoza voasokajy, cyclone tropical ihany i Emnati miaraka amin’ny rivotra 150km/ora sy tafiotra 210km/ora. Milaza hatrany anefa ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetrandro fa amin’ny tanjaka rivodoza mahery vaika na cyclone tropical intense no hidirany eto Madagasikara ary hahatratra hatramin’ny 180km/ora ny rivotra ho entiny amin’izay fotoana izay.