MADAGASIKARA – BENIN – Miandrandra fandresena ny mpanaraka baolina kitra malagasy

Tsy maintsy mandresy ny Barea manoloana ny Ecureuils an’i Bénin anio alina raha mbola te hanana herijika ho tafita amin’ny dingana farany amin’ny fifanintsanana ny amboara eran-tany 2022. Alohan’izany lalao tafiditra amin’ny andro fahadimy amin’ny fifanintsanan’ny amboara ho atao any Qatar izany dia nihaona tamin’ny mpanaraka baolina kitra malagasy ny ekipan’ny 2424.mg.