Mila fandaharan’asa matotra avy amin’ny fanjakana ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina

Taorian’ny nandavan’ny governemanta ny « Plan de mitigation », na ilay drafitra novolavolaina hanavotana ny orinasa sy ireo mpiasa malagasy ao amin’ny sehatra tsy miankina noho izao valanaretina covid19 izao, dia miantso dinika maika miaraka amin’ny mpampiasa sy ny fitondram-panjakana ny CTM na Confédération des syndicats des travailleurs de Madagascar.
« Tsy misy afa-tsy io fihaonan’ny telo tonta io ihany no hahafahana mametraka vahaolana hanavotana ireo mpiasa very asa sy fidiram-bola vokatry ny valanaretina coronavirus », hoy i Rémi Henri Botoudi, Sekretera jeneralin’ny Sekrima sady mpandrindra ny CTM. Nanamafy ihany koa i José Randrianasolo, Sekretera jeneralin’ny Fisema, sady mpikambana ihany koa ao amin’ny CTM fa mila mifampizara andraikitra ny tsirairay mba tsy hilatsahan’ireo mpiasa anaty fahantrana lalina.