MPIASA MALAGASY : Misy ireo mahatsiaro ho natao tsinontsinona nandritra ny fihibohana

Tahaka ny isan-taona dia nanamarika ny Fetin’ny asa ireo sendika maro samihafa na dia eo aza ny hamehana ara-pahasalamana. Nambaran’izy ireo fa natao ankilabao ny mpiasa malagasy nandritra ny 45 andro nisian’ny fihibohana.