? ARETI-MIFINDRA COVID-19 : MITSAHATRA NY FAMANGIANA IREO VOAFONJA

Antananarivo, 23 martsa 2020, 19h30 – Nanapa-kevitra ny hampihena ny fivezivezena eny anivon’ny fonja ny minisiteran’ny Fitsarana taorian’ny filazana ofisialy ny tsy fahazoana mivoaka ny trano eto Antananarivo sy Analamanga ary Toamasina, nataon’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, ny alahady 22 martsa 2020. Miato araka izany ny famangian’ny fianakaviany ireo voafonja mandritra ny 15 andro, aty miato toraka izany ny fivezivezen’ireo fikambanana mpanao asa eny anivon’ny fonja. Mbola mitohy kosa anefa ny fanaterana sakafo ho azy ireo araka ny voalazan’ny fanambarana navoakan’ny minisitera ny alatsinainy 23 martsa.

Nanambara ihany koa ny minisitera fa « ahena araka izay farany azo atao ny fivezivezen’ireo voafonja ». Aato araka izany ny fitondrana ny voafonja eny amin’ny toeram-pitsaboana ivelan’ny fonja raha tsy noho ny antony tsy azo anoharana. Aato tahaka izany ny fitondrana voafonja arahina mpiambina ary andraisana fepetra manokana ireo voafonja tsy maintsy hoentina eny amin’ny fitsarana.

Ankoatra ireo fepetra mampihena ny fivezivezena eny anivon’ny fonja dia hisy ny fanaraha-maso akaiky ny toe-pahasalaman’ireo olona rehetra mifanerasera eny amin’ny fonja. Hisy ohatra ny fitsapana hafanana isan’andro atao amin’ny voafonja sy ireo mpandraharahan’ny fonja ary izay rehetra mivezivezy ao. Hanaovana fitiliana manokana sy hatoka-monina mandritra ny 15 andro ihany koa ireo voafonja vao miditra ny fonja, ary hisy ny famendrahana fanafody ny toeram-pamonjana sy ny manodidina azy ary ny fiara fitaterana ny voafonja.