Antananarivo 3 aprily 2020, 13h51
Mankasitraka ireo mpampianatra manerana ny Nosy noho ny fahendrena sy ny faharetana na dia misy ary ny fahatarana manoloana ny fikarakarana sy ny famoahana ny tambin-karama, ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy fampianarana ara-teknika sy arak’asa, Rijasoa Andriamanana tao anaty filazana izay nataony.
Mampirisika hatrany ireo mpampianatra ny tenany amin’ny asa izay sahaniny mba ho tombotsoa ny zaza malagasy.















