? HENTITRA NY POLISIM-PIRENENA AMIN’NY FIARA FITATERANA TSY MANARA-DALANA

Antananarivo 23 Mars 13h00
Nidina an-tsehatra ny polisim-pirenena malagasy, taorian’ny didy navoakan’ny fanjakana ny alin’ny 22 martsa 2020 ny amin’ny fepetra isorohana ny valan’aretina Coronavirus indrindra ny amin’ny tsy tokony hisian’ny fiara iombonana miasa na koa ireo taxi. Nosintonina ity farany avokoa ireo taratasy fahazoan-dalana ny fiaran’ireo taxi na taxi-be tratra mitondra olona tetsy Ambohimanarina.
Sazy avy hatrany no mihatra ho an’izay minia nandika lalàna ary tsy maintsy natao izany ho fiarovana ny ain’ny vahoaka.