Antananarivo 16 avril, 15h15 – Fatiantoka hatramin’ny 1 500 ariary isaky ny kilao, lanja velona, no tsy maintsy atrehina hoy i Antra Tiana Randriamitandrina, mpiompy akoho fakana nofo. 7 500 isa ny akoho ompiany.
5 000 ariary no hakan’ny mpamongady azy amin’izao raha toa ka 7 500 izany teo aloha. 6 500 ariary n’y masonkarenan’ny akoho iray. « Mihamafy hatrany ny krizy iainana, ny tahiry lany, tsy misy ividianana sakafom-biby, ny akoho zara raha mahalafo » hoy izy mitantara.















