? FIVEZIVEZENA : Mila fahazoan-dalana ny fitaterana mpiasa tsy miankina

Antananarivo, 25 martsa 2020, 10.30 – Tsy afaka mivezivezy intsony ireo fiara fitaterana mpiasa alefan’ny orinasa tsy miankina raha tsy mahazo fahazoan-dalana manokana. Hatramin’ny 8 ora hariva ny fetran’ny ora ahafahan’ireo manana fahazoan-dalana mivezivezy. Miantso ny rehetra hanaraka ny fandaminana ny avy ao amin’ny polisim-pirenana hisorohana ny fiparitahan’ny tsimokaretina Coronavirus.