FAHAVARATRA – Tsy nifankahitana ny fitohanan’ny fifamoivoizana noho ny orana teto Antananarivo sy ny manodidina

Antananarivo, 21 Desambra, 9 ora alina – Fitohanan’ny fifamoivoizana. Arabe tondraky ny rano. Jiro tapaka. Azo lazaina ho tafiditra amin’izay anatin’ny volon’andro fahavaratra nahazatra tato anatin’ny taona vitsivitsy i Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina.
Vao nirotsaka mafimafy in-dray mandeha ny orana na dia tsy naharitra aza, dia efa miaina ireo voka-dratsy aterany ny tanàna. Nanampy trotraka ny fahatapahan’ny lalana eny amin’ny manodidina an’Analakely noho ny tsenan’ny Krismasy.