VAOVAO – MINUTE FLASH 26 JOLAY 2023

– FANATANJAHANTENA – Hiainga androany alina ny ampahany voalohany amin’ny delegasiona malagasy handray anjara amin’ny lalaon’ny Frankofonia
– FITSARANA – Tsy tompon’andraikitra amin’ny fanomezana na tsia ny zom-pirenena ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana, hoy Florent Rakotoarisoa.
– FIANGONANA – Mpizaika miisa 14 000 mahery no tonga eto Antananarivo mandritry ny fihaonamben’ny ankizy katolika
– DIPLOMASIA – Nihaona tamin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny Fihaonana an-tampony momba ny “capital humain” any Tanzania