VAOVAO MINUTE FLASH 26 JOLAY 2024

– POLITIKA : Ny 11 Desambra izao no daty atolotry ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana hanaovana ny fifidianana ben’ny tanana sy mpanolotsaina
– BAKALOREA : Hanomboka amin’ny herinandro ambony ny fitsarana ny taratasim:panadinana ho an’ny faritanin’i Mahajanga
– FANADIOVANA : Nidina ho 45 isan:jato ny tahan’ny fandraofana fako isan’andro eto Antananarivo Renivohitra noho ny fitobian’ny fako
– ANTSIRANANA : Manomboka androany ny fitsaboana maimaim:poana ataon’ny Sambo sinoa “Arche de la Paix”
– FANATANJAHANTENA : Rosina Randafiarison sy Fabio Rakotoarimanana no hitondra ny fanevan’i Madagasikara mandritry ny lanonana fanokafana ny Lalao Olaimpika