Antananarivo, 23 martsa 2020, 18.15 – Taorian’ny fanambaran’ny Filoham-pirenena ny amin’ny tsy fahazoana mivoaka ny trano dia nametraka fandaminana ny eo anivon’ny Fitsarana. Mihemotra araka izany izay raharaha tsy maika rehetra fa ireo raharaha maika sy tsy maintsy alefa no mandeha.
Ireo raharaha mandeha :
• ny raharaha tena maika mikasika ny ady madio,
• ny raharaha hita sy heverina fa tsy maintsy alefa eny amin’ny fampanoavana na eny amin’ny mpitsara mpanao famotorana,
• ny asa andavanandron’ny fitsarana tampony sampana fandravana,
• ny fandraisana ny fangatahana fampiatoana didy sy fanafoanana izany eny amin’ny fitsarana ny ady atao amin’ny fanjakana sy ny filan-kevi-panjakana,
• ny fitsarana tsy atrehina eny anivon’ny fitsarana ara-bola sy ny fitsarana momba ny kaonty,
Ireo raharaha miato na mihemotra :
• ny raharaha tsy maika mikasika ny ady madio,
• ny fandraisana raharaha vaovao eny amin’ny fitsarana momba ny ady madio,
• ny raharaha heverin’ny fampanoavana na mpitandro ny filaminanana fa tsy voatery mandeha any amin’ny mpitsara mpanao famotorana na any amin’ny fampanoavana,
• ny ady madio rehetra sy ady maika tsotra eny anivon’ny fitsarana ambony,
• ny fotoam-pitsarana ampahibemaso eny amin’ny fitsarana tampony sampana fandravana,
• ny fandinihana ny antontan-taratasy ankoatra ny fangatahana fampiatoana sy fanafoanana didy ataon’ny fitsarana ny ady atao amin’ny fanjakana sy ny filan-kevi-panjakana,
• ny fotoam-pitsarana imasom-bahoaka ataon’ny fitsarana ara-bola sy ny fitsarana momba ny kaonty













