29 Martsa 1947 – 29 Martsa 2022. 75 taona aty aoriana, mbola betsaka no manafangaro fa ady nataon’ireo mpitarika ny MDRM ny tolom-panafahana tamin’ny taona 1947. Ny Tantsaha tany amin’ny faritanin’i Toamasina sy Fianarantsoa anefa no tena anisan’ny niady ho an’izany Fahafahana sy Fanafahana an’i Madagasikara izany hoy ireo mpahay tantara fa tsy ny mpanao politika an-tanàn-dehibe fotsiny ihany. Fotoana izao hampidirana anaty programam-pampianarana ny marina araka ny tantara, hoy izy ireo. Fanazavan’ny Profesora Jeannot Rasoloarison, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny sampana Tantara ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
PR JEANNOT RASOLOARISON, HISTORIEN – « Il est temps que les paysans et leurs descendants se rendent compte qu’ils ont aussi lutté pour la liberté »
29 Mars 1947 – 29 Mars 2022. 75 ans après, beaucoup continuent d’assimiler l’insurrection de 1947 aux dirigeants du MDRM. Or, ce sont surtout les paysans des provinces de Toamasina et de Fianarantsoa et pas seulement les hommes politiques des grands centres urbaines qui ont lutté pour la liberté et pour la libération de Madagascar, indiquent les historiens. Il est temps que cette vérité historique soit enseignée dans les écoles, estiment les historiens. Les explications du Professeur Jeannot Rasoloarison, enseignant-chercheur au sein de la mention Histoire de l’Université d’Antananarivo.
