Toy ny vara-datsaka ny vaovao nahalasanan’i Andrianary Zafindrakoto na i Nary, mpamorona ny tarika Zay. Vao ny faha-5 Desambra teo ny tarika no nanamarika ny faha-25 taona niarahany tamin’ny mpankafy tao anaty kanto sy mozika. Mbola betsaka ny tetikasa nokasain’ny tarika ketrehina. Resadresaka farany nifanaovan’i Nary sy Malala tamin’ny 2424.mg andro vitsy talohan’ny fampisehoana tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahan-tena sy kolontsaina.
