TOAMASINA – Raikitra ny tora bato, nirefotra ny gazy mandatsa dranomaso tao Androranga

Nifandona tao Androranga-Toamasina ny mpitandro ny filaminana sy ireo mponina manodidina io alarobia tolakandro io. Naneho tsy fanekenny ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana tamina lehilahy iray teny an-dalana ireto mponina ka raikitra ny tora-bato. Namaly tamin’ny gazy mandatsa-dranomaso sy tifi-danitra ny mpitandro ny filaminana.