Antananarivo, 21 Febroary, 6ora57 – Nidina ho rivodoza « cyclone tropical » vetivety i Emnati raha efa niakatra ho « cyclone tropical intense » na rivodoza mahery vaika, hoy Météo France Réunion. Nihena ho 155km/ora ny rivotra entiny tato anatin’ny ora vitsy raha toa ka efa nahatratra 175km/ora izany ny alahady tolakandro.
Mbola sokajian’i Météo France Réunion ho rivodoza matanjaka ihany anefa izy, ary lazainy fa miovaova ny heriny ankehitriny. « Mbola hihamafy tsikelikely ihany anefa ny heriny mandritra ny tontolo andro mandra-pikasiny an’i Madagasikara amin’ny talata », hoy hatrany ny rafitra mpamantatra ny toetry ny andro frantsay.
Somary niova kely ihany koa ny zotran’ny rivodoza hatramin’ny alina. Raha toa ka niankandrefana somary Atsimo Andrefana ny lalany ny alahady tolakandro, dia mikisaka miankandrefana mihitsy izy io alatsinainy maraina io. Mahafaka 11km/or aizy amin’izany.
Teny amin’ny 390 km somary Avaratra-Andrefan’ny morontsiraka Avaratr’i La Réunion no nisy ny foiben’i Emnati io alatsinainy maraina io tamin’ny 6ora. Efa hatry ny alahady hariva no tafiditra anaty filazana mena i la Réunion saingy mbola misy fiantraikany amin’ny toetrandro ao amin’io Nosy frantsay io izy hatramin’ny alatsinainy maraina.
Raha ny voalazan’i Météo France Réunion dia 90 ka hatramin’ny 100km/ora ny tafiotra eny amin’ny faritry ny morontsiraka ary 120 ka hatramin’ny 130km/ora izany eny amin’ny faritra avo. Mety hahatratra 120km/ora mihitsy aza izany eny amin’ny morontsiraka, ary 140km/ora eny amin’ny faritra avo.
Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana dia hisy dika amin’ny teny malagasy ny vaovao an-tsoratra eto amin’ny 2424.mg. Araho tsy tapaka ao amin’ny www.2424.mg ny vaovao eto Madagasikara