TOETRANDRO – Somary nikisaka mianatsimo kokoa ny faritra heverina hidiran’i Emnati eto Madagasikara raha ny tomban’i Météo Madagascar, mahazo filazana fanairana mavo ny faritra Afovoany Atsimo sy ny faritra Atsinanana ary Atsimo Atsinanan’ny Nosy

Antananarivo, 21 Febroary, 9ora10mn – Somary niova kely ny heverina fa lalan-kizoran’ny rivodoza Emnati raha ny vaovao nampitain’i Météo Madagascar tamin’ny 6 ora maraina teo. Nikisaka somary mianatsimo ny vinavina ka niova ho eo anelanelan’i Vatomandry sy i Farafangana indray ny faritra hidirany rahampitso talata tolakandro. Heverina hivoaka any an-dranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, manodidina an’i Ampanihy izy ny alarobia ho avy izao.

Efa niha-nahazo hery indray ihany koa i Emnati raha somary nihena kely ny tanjany ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy . 165km/ora ny herin’ny rivotra entiny tamin’ny 6 ora maraina teto Madagasikara raha toa ka nidina 155km/ora izy halina. Mahatratra 230km/ora ny tafiotra nentiny tamin’io ora io, ary mikisaka miankandrefana izy ary mahafaka 9km/ora.

Anatin’ny sokajy rivo-doza mahery vaika hatrany no heverina fa hidiran’i Emnati eto Madagasikara rahampitso talata raha ny vinavinan’ireo mpamantatra ny toetrandro. Hahatratra hatramin’ny 180km/ora ny heriny amin’izay fotoana izay.

Nitombo ireo faritra mahazo ny filazana fanaizana mavo ka anisan’izany ny Faritra Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Anosy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Mangoro sy ny Distrikan’i Manjakandriana sy Andramasina. Fanairana maitso koa no mihatra amin’ny Distrikan’Anjozorobe, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Renivohitra, Ambohidratrimo, sy ny Faritra Alaotra, Itasy, Menabe, Atsimo Andrefana ary Androy.