Samy manana ny trano morany. Arakaraka ny fahefa-mividin’ireo mponina no hamaritana ny vidin’ny trano mora, ka mety ho 15 tapitrisa ariary aloa mandritra ny 15 taona ny an’ireo mitady trano tena mora. Mihoatra ny 100 tapitrisa na 120 tapitrisa ariary any kosa no heverina ho vidin’ny trano fonenana eny amin’ireo tranobe mora tahaka ny eny Ivato ohatra. Natokana ho an’ireo tanora manana asa ambony ireny trano ireny ka mety mbola hihoatra io tombam-bidy io ny vidiny, saingy tsy hahatratra ny 300 tapitrisa izay heverina fa mety ho vidiny raha any amin’ny tsy miankina, hoy i Gérard Andriamanohisoa, sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana.
Fanitsiana : Araka ny voasoratra eto ambony dia Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana i Gérard Andriamanohisoa fa tsy Minisitra Lefitra misahana ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana araka ny voasoratra ao anaty horonan-tsary. Ialanay tsiny ny fahadisoana.
