TSENAN’ANOSIBE : Manomboka miverina amin’ny laoniny ny vidin’entana

Antananarivo 27 martsa

Efa mihabetsaka ireo vokatra tonga eny amin’ny tsenan’Anosibe raha araka ny filazan’ireo mpivarotra ny zoma 27 martsa. Noho izay dia manomboka miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny vidin’entana. Mitaraina kosa anefa ireo mpivarotra satria tsy misy ny mpividy.