TSY FANAJANA FEPETRA ENY ANIVON’NY TAXIBE : Samy mitaraina na ny mpampily na ny mpandeha

Tsikaritra fa maro ireo lamina ara-pahasalamana tsy voahaja intsony amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra. Anisan’izany ny tsy fisiana “gel désinfectant” intsony ao anaty taxi-be sy ny tsy fanajana ny elanelana iray metatra. Samy mitaraina noho izany na ireo mpandeha na ny mpamily.