TSY HITA ENY ANOSIBE NY VARY MAKALIOKA SY NY VARY GASY

Vary nafarana avy any ivelany no ankamaroan’ireo hita eny amin’ny tsenan’Anosibe ny andron’ny 25 martsa. Tsy dia hita firy raha ny filazan’ireo mpivarotra ny vary vokatra eto an-toerana toy ny makalioka sy ny vary gasy.