VALAN’ARETINA – Nisy fiantraikany ratsy tamin’ireo toerana fialam-boly ny fihibohana sy ny hamehana ara-pahasalamana

Asa naato. Vola tsy miditra. Nisy fiantraikany mafy tamin’ireo toerana fialam-boly ny fisian’ny fihibohana sy hamehana ara-pahasalamana. Eo am-piandrasana izay fanohanana entin’ny fanjakana dia nisy ireo efa nanomboka niverina nisokatra na dia tapakandro ihany aza. Misy ireo misafidy ny hiandry ny fifaranan’ny fihibohana mihitsy.