VAOVAO – MINUTE FLASH 03 JONA 2022

– INDOSTRIA – Notokanana androany ny orinasa Mabel eny Anosimanjaka Ambohitrimanjaka
– ADY AMIN’NY KOLIKOLY – Nanatanteraka ny fianianany ny tale jeneralin’ny Sampan-draharaha misahana ny famerenana amin’ny fanjakana ny harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna
– FAMPANDROSOANA – Namoaka paikady amin’ny famokarana sakafo ara-pahasalamana sy takatry ny fahefa-mividin’ny besinimaro entina miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny mpandraharaha tsy miankina